Fiara 4x4 marika Mazda iray, nentina vehivavy no notafihin’ny jiolahy telo mirongo basy omaly hariva, tsy lavitra ny fiangonana FJKM Andravoahangy Fivavahana.
Araka ny filazan’ireo nanatri-maso dia nisy fiara, toa simba, nibahana ilay 4x4, ka tamin’izay no nohararaotin’ireo jiolahy namakiana ny fitaratr’ilay 4x4 saingy tsy vaky. Rehefa izay dia nambanan’izy ireo basy ilay vehivavy tao anatiny ka namoha ny varavaran’ilay fiarany, toa nentin-tahotra. Tamin’izay no nanao amboletra niditra tao anaty fiara ireo jiolahy sady nitondra azy nitsoaka niaraka tamin’ilay vehivavy tavela tao anatiny. Fakana an-keriny sa halatra fiara ity niseho ity ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.