Actualités

Kidnapping Navotsotra ilay Karŕna rehefa nandoa 3 miliara


  • Sabotsy 14 Aogositra 2010


Tsy nisy ny fitoriana teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, tsy nisy ihany koa ny vaovao ofisialy momba ity raharaha kidnapping ity. Fantatra kosa anefa izao fa navotsotr’ireo jiolahy ilay Karàna izay nalaina an-keriny tetsy Antaninarenina amin’ny andro antoandro be nanahary. Vola mitentina 6 miliara no notadiavin’ireo olon-dratsy mba hamoahana ilay Karàna izay tsy teto ny fianakaviany fa lasa nanao fialantsasatra. Voatery ireo Karàna namany no nandoa ny volabe, araka ny vaovao azo hatrany. Nandeha ny feo fa resak’izy ireo samy Karàna ihany ity tranga ity. Tsy vao izay rahateo vao nisy ny kidnapping izay tsy iza fa ny iray amin’izy ireo ihany no ao ambadika. Mety manamarina an’izany rahateo ny tsy fametrahan-dry zareo fitoriana mihitsy eny anivon’ny mpitandro ny filaminana isaky ny misy ny fakana an-keriny mihatra amin’izy ireo. Izany anefa dia toa mainka mampirongatra ireo olon-dratsy hanohy ny asany, indrindra ny fanekena hanome volabe isaky ny mandeha... 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT