Nanomboka ny volana janoary 2010 hatramin’izao volana jolay izao, dia nahazo vahana tao Toamasina ny hala-jaza sy ny “kidnapping”. Mazŕna dia zanaka Karana mba hitakiana volabe no lasibatra. Hafa noho izany kosa ity tranga iray nihatra tamin’i T.F monina ao Andranomadio ity ny fiandohan’ny volana jolay teo, ary nokarohina taorian’ny fitarainana teo anivon’ny polisy tao Toamasina.
Raha tsiahivina, ny 02 jolay dia nisy naka an-keriny teo amin’ny sampanan-dalan’i Valpinson sy Ankirihiry, eo am-piandrasana «Bus» ho any Tanambao i T.F, tovolahy 27 taona monina ao Andranomadio P/elle 11/41. Nisy olona efatra, ka lehilahy ny telo ary vehivavy ny iray, nitondra fiara Golf nanatona ary nanontany azy ny misy ny seranam-piaramanidina. Natoron’i T.F ny lalana nefa nisisika ny haterina ho any ireo tao anaty fiara Golf ary nisy iray tamin’ireo olona ireo no somary nandray ny tanan’i T.F, ka nanomboka teo dia tsy nahatsiaro tena izy.
Telo andro taty aoriana, raha vao nahatsiaro tena i T.F araka ny nambarany, dia gaga izy fa natory teo amoron-dalana. Nisy olona nanontaniany ny misy azy, ka io olona io no nilaza fa «eto Anjinja Mahajanga ianao izao». Tsaroany tsara anefa fa teo amin’ny sampanana Ankirihiry-Valpinson niandry bus ho any Tanambao V izy. Ny hody avy hatrany no tao an-dohan’i T.F, satria mety tsy nilain’ireo mpangalatr’olona ireo izy noho ny antony tsy fantatra. Niezaka ny nifanaraka tamin’ny mpamily fiara manao zotra Mahajanga Antananarivo sy ireo zandary mpanakan-dalana, saingy nosoketaina ho gadra nitsoaka sy mpangalatra nandositra ka tsy nisy niraharaha mihitsy na efa nampiseho kara-panondro soa aman-tsara aza, izay mbola naseho ny mpanao gazety nanao fanadihadiana azy koa izany. 12 andro noho izany no nanaovany dia an-tongotra Mahajanga Antananarivo, ka ireo sefom-pokontany sy ny vahoaka nitsetra azy no nanome sakafo azy teny an-dalana.
Araka ny filazan’i T.F, na efa nitalaho sy nila vonjy tamin’ireo mpitandro ny filaminana teto Antananarivo ny tenany ny hanavotra azy hahatongavany any Toamasina, dia tsy nisy niraharaha azy fa mbola ilay fanasoketana fa gadra nitsoaka sy mpangalatra nandositra hatrany no azony. Nitohy noho izany ny dian’i T.F fa te ho tonga tao Andranomadio fiaviany. Teo Manjakandriana no farany vitany dia reraka noho ny hanoanana izy ary efa nivonto be ny tongony noho ny dia an-tongotra vitany. Rehefa nitalaho mafy niampy fandohalihana tamin’ity mpamily fiara vaventy i T.F dia nalahelo azy ity mpamily kamio ka nitondra. Ny 16 jolay teo no tonga tao Andranomadio izy.
«Sahiko ny manaporofo izao, fa misy ny halatr’olona atao andevon’asa eto Madagasikara ; tratra aho izao nefa mbola ho maro no mety ho voa, ka tokony ho mailo ny rehetra raha misy ny olona tsy fantatra manontany sy tia mitazotazona tanana na vatan’ny tena eo am-panontaniana», hoy i T.F namarana ny fanazavany. Nambaran’ny ray aman-dreniny koa fa salama saina tsara ny zanany ary tovolahy mirijarija nefa mbola tratran’ny zavatra toy izao ihany.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.