Actualités

“Kidnapping” Mihorohoro ny karana ao Toamasina


  • Alatsinainy 09 Aogositra 2010

Arakaraka ny andraisana fepetra hamongorona ireo jiolahy vao mainka mihantsy ny mpitandro ny filaminana izy ireo. Taorian’ilay fanafihana mitam-piadiana mahery vaika nampiasana ny bala sy basin’ny tafika sy ny zandary tao amin’ny mpivarotra firavaka “Kalidas”, dia mitady hiverina sy hahazo vahana indray ny fakana an-keriny olona, ka ireo Karana mpivarotra sy mpandraharaha no lasibatra aminy.

Ny herinandro nivalona iny izao, dia Karana mpivarotra sy mpandraharaha tao Bazaribe no saika nisy naka an-keriny. Mbola nitohy ihany izany ny faran’ny herinandro teo. Mailo avy hatrany ity Karana ity, ka nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana hiaro azy sy hisahana ny fanaraha-maso ireo jiolahy ireo. Ny FIP Valpinson no hita nihaodihaody nanodidina ny bazaribe sy nanakaiky ny fivarotan’ity Karana ity ny faran’ny herinandro teo, manara-maso sy hitraingo ireo jiolahy ireo. Araka ny feo mandeha dia misy hifandraisany amin’ilay fanafihana ny Kalidas, ary mifandray tendro amin’i Marianot, ilay zandary nivadika ho jiolahy ataon’ny mpitandro ny filaminana hazalambo amin’izao fotoana izao, ireo jiolahy mikasa hanao izany.

Tsy vao sambany no iharan’ny fikasana hisy haka an-keriny io, ity mpandraharaha Karana ity. Efa tratra izy ny volana novambra 2009 ka vola 200 tapitrisa ariary no nangahatan’ireo mpanao an-keriny taminy vao afaka izy. Ny fiandohan’ny taona 2010 koa dia efa tratra izy, nefa teto kosa tsy fantatra mazava ny zava-nisy fa nampanginina ny raharaha noho ny tahotry ny fianakaviany. Dia izao volana aogositra 2010 izao indray mbola ao anaty lisitra hatrany ity tovolahy karana ity. Ny zava-nisy anefa tao anatin’ireo tantara rehetra ireo dia, misy hitovizany ny raharaha. Manao fanamiana miaramila, izay mety ho tena izy tokoa, ireo jiolahy ary nampiasa fitaovam-piadiana fampiasan’ny tafi-bahoaka. Toy izany koa ny fampiasana fiara 4x4 ana mpanao politika.
Sesilany ny fivorian’ireo vondrona Karana isaky ny antokom-pivavahana sy foko misy azy avy tato ho ato. Tsy fantatra izay hivorian’izy ireo, fa ho an’ny mpitandro ny filaminana ao Toamasina, tsy maintsy fongotra ny ratsy ary tsy maintsy tratra ka mandray ny valin’asany ny jiolahy.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT