Nahoraka teto an-drenivohitra omaly fa dia nisy andian’olona saron’ny andrimasom-pokonolona tamin’ny lalam-pirenena faha-4, raha avy naka an-keriny mpandraharaha Karana iray tao Marovoay ny alahady teo.
Tsy fantatra mazava ny zava-nitranga fa ny loharanom-baovao samihafa re no mitatitra fa toa nikendry vola be tamin’ity Karana ity ireto andian’olona ireo, izay nahitana miaramila manana grady «adjudant-chef», polisy «brigadier» iray polisy tsotra iray, miampy sivily enina no tao anatin’ity tambajotra ity. Mbola io loharanom-baovao io ihany koa no mitatitra fa nampiasa fiara 4x4 ireto andian’olona ireo, ary hitan’ny andrimasom-pokonolona tao ilay Karana. Toa tazana tamin’ireny raharaha Ambohijanaka tapabolana lasa izay aza ity fiara ity, ary voatonontonona ao anatin’izany koa ny FIS, fa toa miaramilany ireto telo ireto. Mifamahofaho be ihany ny resaka, satria tsy mifanalavitra amin’ity tranga ity no niseho tao amin’ny tranon’ny jeneraly Raoelina eny Ambohimalaza, nahavoatonontonona ihany koa ny FIS fa hoe olony ireo nanao fanamiana miaramila sady mitam-basy niditra an-keriny sy nanjakazaka tamin’ny fananan’ity jeneraly ity, saingy nisy feo nilaza fa tsy naniraka olona tany ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana, ka nifanilihana teo ny andraikitra. Ny zandary any Mahajanga no re fa mandray an-tanana ny famotorana ity tranga tany Marovoay ity hahafantarana ny marina. Fa mandra-piandry izay ho vokatry ny famotorana eo dia mampieritreritra ihany ny zava-miseho ankehitriny amin’ny afitsoky ny mpitandro ny filaminana sasantsasany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.