Actualités

“Kidnapping” Karana Nangataka fanalavana fanadihadiana ny zandary


  • Zoma 28 Septambra 2012

Raha ny vaovao azo farany mikasika ny raharaha «Bandes ŕ Stéphanie» tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny ilay Karana, Farez, tao Toamasina ka nitakiana vola be manodidina ny 150.000 euros, dia mitohy ny fanadihadian’ny zandary hahalalana ny tena marina.

 Nangataka fanalavana fanadihadiana tamin’ny fampanoavana noho izany izy ireo, ka heverina fa ny talata izao no hiditra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny raharaha. Ankehitriny dia nahatratra 12 ireo olona anaovana fanadihadiana lalina eo anivon’ny zandary misahana ny heloka bevava sy ny polisy misahana ny heloka bevava ihany koa. Fantatra anefa izao, araka ny vaovao nangonina ihany, fa mangataka hitsabo tena eny amin’ny hopitaly i Stéphanie fa hoe «marary». Hatreto anefa dia fizahana tsotra ihany no natao taminy mba hahafahana manohy sy manafaingana ny fanadihadiana, fa anjaran’ny fitsarana no manafaka na mihazona azy mikasika ity voalaza fa aretiny ity sy mikasika ny maha mbola mitaiza kely vao enim-bolana azy. Ho hita eo izany ny tohiny, izay heverina fa hanako sy hahaliana ny olona ny hahalala ny marina ao anatin’izao raharaha izao…

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT