Actualités

Kianja Rabemananjara Mahajanga Mitriatriatra sahady ilay “Tribune” nandaniam-bola be


  • Talata 27 Jolay 2010

Hanamboarana kianja manara-penitra eny anivon’ny faritra, hanaovan’ny tanora fanatanjahantena mba hivelarany araka ny teny fampanantenana nataon’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, nandritra ny fandaharana manokana voalohany nataony tamin’ny haino amanjery niainga avy any amin’ny Faritra, izay nosantariny tao Mahajanga ny alahady 25 jolay teo.

Notsiahiviny tamin’io fa nahazo tombondahiny ny tananan’i Mahajanga mikasika izany. Ao tokoa mantsy no nanorenana ny kianja sentetika voalohany eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa Fifa Goal no nahavitana azy ity. Natao nitalakotroka ny fitokanana azy. Mbola tsaroan’ny rehetra fa tonga teto mihisty i Joseph Blatter, filohan’ny federasiona iraisam-pirenenan’ny baolika kitra, ny fiandohan’ny volana martsa 2010, naira-nitokana tamin’i Andry Rajoelina ireo foto-drafitrasa ao Mahajanga ireo. Foto-drafitrasa telo sosona no indray notokanana tamin’izay, dia ilay foibem-piofanana ara-teknika eny Carion izay hampivondronana sy hampiofanana ireo Barea ekipa A sy ny sokajy zandriny ary ny vehivavy. Namatsy ara-bola ny asa moa ny fanjakana frantsay (620 710 dolara) sy ny Fifa (56 320 dolara). Anisan’ireo foibem-piofanana miisa 44 misy maneran-tany tafiditra amin’ny tetikasa «Goal» moa ity eny Carion ity. Nanaraka izany ny kianja sentetika Rabemananjara (700 000 dolara) ary ny Tribune (436 297 dolara) mahazaka mpijery 800 ary ahitana birao samihafa sy trano fidiovana.

Tsy misy efa-bolana akory aty aorian’ny nitokanana azy anefa dia tapitra mitriatra ny vatan-drindrin’ny “Tribune” vaovao namboarina ao amin’ny Kianja Rabemananjara io. Ny tsy fahampian’ny rivotra iainana any anaty birao samihafa any izany tsy resahina. Tsy navelan’ny taona hiherina akory dia mipoitra ny lesoka. Midika io fa kimaimaika toa asa vonjitavanandro no betsaka, nanenjehana ny fandalovan’i Blatter. Mety ho dibokafaliana nahazo mariboninahitra koa ity farany ka tsy nahamarika izay tsy fahatomombanana ara-teknika tany, na dia volabe ana hetsiny dolara aza no natontona tao. Tsaroana anefa ny tsindrom-paingotra ara-politika nataon’ny filohan’ny federasiona Malagasy ny baolina kitra, Ahmad tamin’ny lahateniny tao Mahajanga nandritra ny lanonam-pitokanana, ka nilazany fa «toy ny niatrika lalao ny enin-taona nitantanany ny federasiona izay feno fingampingan’ny fitondrana teo aloha…. Taty amin’ny fanalavam-potoana anefa dia nioty fandresena ihany amin’ny alalan’izao fitokanana izao». Asa toy itony ve no tiany hambara amin’izany ? Raha izay mantsy no izy, tsy dia atao mahagaga raha toy izao hatrany no toerana misy ny kitra malagasy.
 

Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT