Actualités

Kianja manara-penitra Tsara fa tsy misy ilana azy !


  • Alatsinainy 10 Desambra 2012

Nanezaka mafy tokoa tamin’ny fananganana ireo kianja manara-penitra manerana ny Nosy i Andry Rajoelina, ary io mihitsy aza no toa nanombohany sahady ny fampielezan-keviny.

 Tsy sanatria fialonana be fahatany ireny fotodrafitrasa ireny, fa ity no mba fanontaniana : ireny kianja sy fanaovana fety ireny ve no tena maika amin’ny Malagasy ankehitriny ? Malagasy izay miha mahantra andro aman’alina ary mandry fotsy lava izao. Ka vahoaka noana sy lazoin’aretina ve hahavita inona eny an-kianja ? Ary mba aiza ho aiza ny fangatahan’ireo mpiasam-panjakana maro, mba nangataka izay hijerena azy manoloana ireto rendrarendra maro ireto. ? Tsy mbola voavaha tsara akory ny olan’ireo mpiraki-draharahan’ny fitsarana, dia nipoitra indray ny an’ny mpandraharaha ny fonja, manana ny toerany eto amin’ny firenena satria dia ireo no tena miandry ny fonja.

Manampy izany ny hetsika ataon’ireo mpampianatra sy mpitsabo noho ny fijalian’izy ireo amin’izao fitondrana izao. Mba nisy valiny ve izy ireny ? Zava-dehibe ve ny fanaovana fety manoloana izany rehetra izany ? Tena nilaina ve ny hopitaly manara-penitra sa mba tokony ho nohatsaraina aloha ireo efa misy, indrindra ireo CSB any ambanivolo akaiky ny vahoaka, satria dia tsy misy tsy mahalala fa vidiana avokoa ankehitriny ny zava-drehetra eny anivon’ny hopitaly.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT