Actualités

Kere any Atsimo Ny famatsian-drano no vahaolana maharitra


  • Alakamisy 19 Novambra 2015

Toetany mandrafitra ny tapany Atsimon’i Madagasikara mihitsy ny maintany, hoy ny Sekretera mpanatanteraky ny «Bureau National de la Gestion des Risques et Catastrophes», Venty Thierry.

 

 Famonjena vonjimaika tsy maharitra ihany mantsy ny tetikasa biby fiompy miaraka amin’ireo masomboly sy ny fizarana sakafo iandraiketan’ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny «Programme Alimentaire Mondial» sy ny «Catholic Relief Services». Efa eo am-pandinihana ny vahaolana maharitra kosa amin’izao fotoana izao ny ekipan’ny BNGRC izay vao avy nanatanteraka iraka ara-teknika amin’ny fahafahana mametraka «station de pompage» hamatsian-drano ireo toerana lonaka azo ambolena. Dingana manaraka tsy maintsy hatrehina anefa ny fitadiavana famatsiam-bola hanatontosana io fandaharanasa goavana hisorohana ny fiverimberenan’ny kere any Atsimo, araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra voalohany misahana ny fitantanana ny voina sy loza ara-boajanahary ity. Efa miomana ihany koa amin’ny fiatrehana ireo tandindon-doza sy ny fampihenana ny mety ho fiantraikan’izy ireo amin’ity vanim-potoana 2015-2016 sy ireo taona manaraka ny BNGRC sy ny «Cellule de Prévention de la Gestions des Urgences» miaraka amin’ireo mpisehatra maha olona rehetra. Fitaovana roa goavana amin’izany ny drafi-pirenena fiatrehana ireo tandindon-doza faha-9 sy ny fananana lalàna momba ny paikady nasionaly izay hodinihana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT