Actualités

Kenda roroka ny Port Tandindomin-doza ny famatsiana PPN


  • Talata 05 Oktobra 2010

Mafanafana ny toe-draharaha ao Toamasina ao. Andaniny, mitohy ny fitokonan’ny mpitsara, ka lasa efatra andro izany manomboka omaly.

Nivory ny mpitsara ao Toamasina omaly nifampita vaovao sy nandray fepetra hampanjary ny fitakian’izy ireo. Mikatso noho izany ny asa eny amin’ny Tribonaly. Mitohy ihany koa ny fitokonan’ny mpiasan’ny MICTSL, mitaky ny hamoahana ireo namany voatana am-ponja noho ny raharaha «bois de rose». Hentitra ny tenin’izy ireo milaza fa tsy hisy asa mandeha raha tsy mazava ny momba ireo namany ireo. Vokany, nobahanan’izy ireo tamin’ny kaontenera ny vavahady miditra ny fitobian’entana, tsy misy mandray birao ny mpiasa fa mitokona ivelan’ny toeram-piasana. Sambo miisa valo saika hanatitra entana toy ny PPN no nihitsoka vokatr’izany ka ny fito niverim-potsiny, ny iray mbola miandry eny afovoan-dranomasina hatry ny omaly. Etsy ankilany dia kenda roroka ny seranana ary mikatso tanteraka ny fandraharahana rehetra. Niray feo koa mantsy ny mpiasan’ny SMMC sy ny CCIT ary ny sasany amin’ny mpiasan’ny SPAT omaly mitaky ny fanalana amin’ny MICTSL ny fitantanana ny TAC, ka haverina amin’ny Malagasy toy ny teo aloha ny fitantanana ny seranan-tsambon’i Toamasina ary averina koa ireo mpiasa rehetra noroahina tsy amin’ny rariny. Voalaza moa fa sendika miisa 13 no manao izao fitokonana manakenda ny seranan-tsambon’i Toamasina izao.

Tezitra noho izany koa ireo mpitatitra sy mpandraharaha manana entana mihitsoka ao amin’ny Port. Nifamory izy ireo omaly maraina nandinika ny tokony hatao. Araka ny fampitam-baovao azo, manery ny mpitondra izy ireo handray fepetra matotra sy haingana fa raha tsy izany dia hobahanan’izy koa ny lalam-pirenena faha-02 amin’izay samy kenda sy tsy mandeha avokoa ny raharaha rehetra.
Mikoropaka ny eo anivon’ny faritra Atsinanana. Fivoriana etsy, fivoriana eroa mitady vahaolana handaminana ny raharaha. Mandeha mantsy ny feo fa ho avy ao Toamasina i Andry Rajoelina ny zoma izao, hametraka ireo lehibena vondron-tafika sy hitokana ny birao vaovaon’ny vondron-tafika ho an’ny faritanin’i Toamasina teo aloha ao amin’ny “Camp Chanaron” izay natakalo ny “Cité des Officiers” Ampasimazava.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT