Actualités

Karatry ny mpanao gazety Nisy nametra-pialana indray tao anatin’ny komisiona


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Naharitra adim-pamantaran’andro telo ny fihaonan’ny mpikamban’ny Holafitry ny mpanao gazety voafidy teto amin’ny faritanin’Antananarivo sy ny solontenan’ny tompon-gazety omaly.

 

 Izany dia tohin’ny fangatahin’ireo tompon-gazety miisa 25 ny fangalan’ny mpikamban’ny Holafitra, izay tsy mankato ny karatra avy amin’ny minisitera, ny fepetra mifanandrify azy. Nanontanian’ireo mpikambana tsara ny tena handrasan’ny tompon-gazety. Anisan’ny nivoitra tao anatin’ny fivoriana ary ny fanaingana ny fikambanan’ny tompon-gazety (GEPIM) mba hanelanelana amin’ny fitadiavam-bahaolana amin’ity raharaha ity. Anio no fantatra fa nampiantsoan’ny vaomiera natsangan’ny minisitera ireo tompon-gazety ireo ary inoana fa hizotra amin’izany ny fihaon’izy ireo. Nanapa-kevitra ihany koa ilay kaomisiona fa hahemotra amin’ny 20 febroary indray ny fe-potoana farany handraisana ny antontan-taratasy ho an’ny fangatahana karatra. Inona moa ny handrasana amin’ny fanelanelanana ? Ny fandravana ilay vaomiera voalohany indrindra ary ny fametrahana vaomiera vaovao izay mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery 2016-059 izay misahana ny lalàna amin’ny asa fanaovan-gazety. Ho an’ny minisiteran’ny fifandraisana hatreto dia tsy misy afa-tsy ny fanaratsiana an-gazety ny Holafitry ny mpanao gazety eto Antananarivo ny mba hany valin-kafany. Sady efa manitsaka lalàna ny tenany no mbola mampiady ny mpanao gazety indray. Rariny ireo tompon-gazety raha nisintaka tamin’ny karatra izay havoakany. Etsy andanin’izay dia fantatra koa fa niala tao anatin’ny voamiera i Salomon Ravelontsalama, tale eo anivon’ny La Gazette de la Grande île. Roa izany izay no niala tao. Tsy vitan’izay fa olona vitsy dia vitsy no nametraka dosie tetsy Nanisana raha ny teto Antananarivo manokana. Dia mbola hiziriziry amin’ny heviny ihany ve i Rolly Mercia ?


Jean D sy J.Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT