Actualités

Karatra maha mpanao gazety “Tsy misakana ny kaomisionina izahay”, hoy i Gérard Rakotonirina


  • Alarobia 07 Martsa 2018

Tsy nampitovy hevitra ny orinasa fanaovan-gazety maro sy ny minisitera ny momba ny komity natsangan’ny minisiteran’ny serasera hiantsoroka ny fizarana karatra maha matihanina momba ny fanaovan-gazety.

Nisy mihitsy ny orinasan-tserasera maro niara-nanao fanambarana ny tsy fankasitrahana izany, ka nivoitra fa tsy asan’ny minisitera ny manao izany fa adidin’ny Holafitry ny mpanao gazety na ny OJM. Somary nangingina ny raharaha tato ho ato, ka dia miandry izay ho fivoarany ny rehetra. Nanamafy kosa Filohan’ny OJM Gérard Rakotonirina tamin’ny fakana ny heviny, fa efa notapahana tamin’ny Fivoriambe tsy ara-potoana nataon’ny Birao ny 30 novambra 2017 ny hamelana hiasa ny Kaomisionina voatendry, ary hanara-maso ny asan’io Kaomisionina io kosa ny OJM. Tsy manakana an’io izahay raha ny hevitray satria na inona na inona hatao dia ny andinin-dalàna ao anatin’io lalàna io ihany no fomba hisafidianan’ny vaomiera izay tena mpanao gazety matihanina satria mitovy ny tanjona dia ny hanadio ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, hoy  hatrany ny filohan’ny OJM. Mikasika ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny samy biraon’ny OJM, dia tsy azo hiadin-kevitra ny maha filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ahy ary ny tapaky ny fivoriambe ihany no manan-kery, hoy izy. Ny ambiny, toy ireo hoe isaky ny faritany dia azy ny azy satria ny hevitry ny mpanao gazety manerana an’i Madagasikara no arahiko fa tsy ny eto Antananarivo na ny any Toamasina irery, hoy hatrany i Gérard Rakotonirina. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT