Actualités

Karana tompona “Quincaillerie” Ananan’ny fanjakana 644 miliara Ariary


  • Alatsinainy 16 Novambra 2015

Mipoitra tsikelikely ankehitriny ny tsiambaratelon’ny fanangonan-karena ataon’ny mpandraharaha sasany, indrindra ny vahiny, eto Madagasikara. Betsaka no tsy mandoa ny vola tokony haloany amin’ny fanjakana, na haba io na hetra. Azo antoka 100% fa fantatry ny Fanjakana ny fisian’izany

 

. Ny fanontaniana mby ao an-tsain’ny maro avy hatrany dia ny hoe inona no nataon’ny Fanjakana nanoloana izany ? Vola tsy hita pesimpesenina mantsy no mandehandeha any. Raha nisy hetsika nitakiana ny vola tokony ho naloan’ireny mpandraharaha ireny, na nogiazana ny entany ka natao lavanty hanonerany ny vola, maninona i Madagasikara no mbola mandalilady mitrosa vola lovain-taranaka amin’ny vazaha hatrany ?

Ny zava-misy dia manery ny mpitondra hampakatra ny tahan’ny fampidiran-ketra ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena fa ambany loatra. Tsy te hisahirana ny mpitondra eto fa dia ny fampakarana ny tataon-ketra alaina amin’ny efa mpandoa hetra, izay vahoaka madinika sy mpandraharaha madinika ny ankamaroany, no ampihariny fa misy ny jerem-potsiny mba tsy hilazana fa arovan’ny mpitondra ambony aza, toy ity Karana tompona “Quincaillerie” anisan’ny voatonontonona hatao ambadik’ireny fanonganam-panjakana teto Madagasikara tamin’ny 2009 ireny. Raha ny antontan-taratasy mandehandeha any dia maherin’ny 644 miliara Ariary ny vola tokony haloany amin’ny Fanjakana, ny taona 2011, 2012 ary 2013 ; mifangaro ao ny hetra, haba, TVA, ary ny sazy samihafa amin’ny tsy fandoavana sy ny filazan-ketra diso. Tsy miasa irery ity Karana ity ao anatin’izany fa mampiasa Malagasy, nanokafany orinasa tsy fanta-pototra ny tena fisiany. Ny orinasan’ity Malagasy ity no anoratany ny entana hafarany, ary zara raha misy ampahafolon’ny tena sandan’ny entana tonga any amin’ny seranan-tsambo no anaovany fanambaran-ketra. Dia toy izay hatrany. Vokany, sady tsy mandoa ny hetra sy haba tokony haloany ilay Karana no mahazo tombony mihoapampana. 644 miliara Ariary aloha ny azy irery no fantatra hatreto, mbola mety hitovana io ho an’ny taona 2014 sy 2015 ity, vola tokony horaisim-potsiny nefa ny fanjakana izao mandadilady sy mitalaho mafy amin’ny Vondrona Eoropeanina mba hahazo ilay vola tsy averina 518 tapitrisa Euros. Raha miditra anefa io 644 miliara Ariary io, mety kely sisa ny elanelana eo amin’ny tsy fifandanjan’ny vola miditra sy mivoaka amin’ny fanjakana.

Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT