Avy nivarotra ity teratany karana no efa nisy niandry azy teo ivelan’ny tsenany. Jiolahy 5 lahy niampy vehivavy roa no nikasa haka azy alaina an-keriny ary hakana vola mitentina 6 tapitriasa ariary amin’ireo fianakaviany.
Nivoaka ny toeram-pivarotany ity farany ka niditra avy hatrany tao anatin’ny fiarany ka teo no nisamboran’ireo mpaka an-keriny azy ary naiditra tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana an’ireo mpanao ratsy. Izay no sary hita tao anatin’ny “camera de surveillance “ilay karana. Niezaka namaly ireo mpiasan’ity vahiny ity saingy tsy afaka niaro azy fa nitifitra ireo jiolahy ireo. Nitsoaka izy ireo ny zoma alina tokony ho tamin’ny 9 ora. teo ka nentina teny amin’ny fokontany Manajarisoa. Raha ny loharanom-baovao azo avy amin’ny EMMO-REG ao Mahajanga dia fantatra fa ny andro zoma io ihany dia nisy ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny olona tsara sitrapo nipetraka manakaiky ny trano nametrahana io vahiny izay ao amin’io fokontany io ary miantso vonjy. Tonga nijery ny zava-nisy ny mpitandro ny filaminana. Hita tao anatin’ny trano ny fitaovana fampiasan’ireo mpanao ratsy toy ny lamba lehibe, famaky, antsy ary ny fanafody gasy. Misy mahita ny toerana misy ny vehivavy iray niara-dia tamin’ireo ka mbola mitohy ny fikarohana. Niverina indray ny fakana an-keriny ho an’ireo manan-katao ao Mahajanga, indrindra ny vahiny ka ny fanamafisana ny mpiambina hatrany no vahaolana haingana sy ny tsy fodiana amin’ny alina ho an’ireo mpivarotra.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.