Actualités

Karaman’ny mpiasam-panjakana sy tsy miankina Tokony hiakatra amin’ity taona ity, hoy ny SSM


  • Talata 06 Martsa 2018

Nanao fanambarana tetsy amin’ny Koots food Mahamasina omaly ny avy eo anivon’ny randrambaon’ireo sendika eto Madagasikara na ny SSM fa hanao hetsika faobe fanairana manoloana ny fitsarana Anosy izy ireo ny zoma izao.

 

Mihoapampana ny fandikan-dalàna sy tsy fanajana ny zon’ny mpiasa eto Madagasikara, raha ny nambaran’izy ireo. Teo ny fanapahan-karama faobe ary misy mpiasam-panjakana am-perinasa tsy niverina amin’ny laoniny ny fandraisan-karamany mandrak’ankehitriny. Tsy miakatra ny karama raha miakatra ny vidim-piainana. Efa voafaritra ao anatin’ny tetibola 2018 anefa fa tokony hiakatra 20% izany, hoy hatrany izy ireo. Na ny mpiasam-panjakana na tsy miankina dia tokony hiakatra karama daholo amin’ity taona ity. Mihoapampana isan’andro koa ny fandikan-dalàna kanefa dia misy olona maro takianay ny fanadihadiana mikasika azy, hoy izy ireo, saingy tsy ataon’ny tompon’andraikitra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT