Mandeha ny feo amin’izao fotoana fa mety hakarina ihany ny karaman’ny mpiasam-panjakana, taorian’ny fahadisoam-panantenan’ny maro tamin’ny kabarin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha ny 5 janoary lasa teo.
Raha ny resaka mivoaka dia mety hanonitra sy hamafa izay fahadisoam-panantenana izay sy haka ny fon’ny mpiasam-panjakana ny fitondrana satria akaiky rahateo ny fifidianana. Raha ny voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana 2018, dia voalaza fa 8% ny fisondrotan-karama, saingy ninian’ny filoha tsy noresahina nandritra iny fifampiarahabana teny Iavoloha iny, izany hoe tsy ampiharina na koa miandry fotoana. Raha ny tsilian-tsofina hatrany kosa anefa, dia tena hanao izay mety mihitsy ny fanjakana hakana ny fon’ny rehetra fonksionera, ka hihoatra ny mahazatra hatramin’izay ny fampiakarana katsahina hatao satria re fa mety ho 15% izany. Tsy mbola nisy kosa ny vaovao ofisialy, fa dia miandry izay hiseho ny rehetra. Maro no mbola manana fanantenana ka mihevitra fa hatao tahaka ilay fanenan-tsazy ho an’ny voafonja hoe amin’ny alalan’ny didim-panjakana fotsiny, fa tsy noresahin’ny filoha tao anatin’ny kabariny, raha hotanterahina tokoa. Vao tsy ela akory izay ny minisitry ny vola sy ny tetibola no nanipy teny amin’ny fahavononana, raha toa ka misy ny fanovana, toy ny fampiakarana amin’ny alalan’ny fikajiana ny mari-karama. Miandry ny rehetra, indrindra ny mpiasam-panjakana. Fanapahan-kevitra politika tanteraka mantsy io ary any amin’ny filoham-pirenena ny fanalahidiny. Etsy an-daniny, manao tsindry mafy amin’ny fandaniambolam-panjakana ny mpamatsy vola, izay manery ny fanjakana hampihena izany, toy ny tosika ara-bola hanampiana ny Jirama, ka dia io ampiakarina io ny sandan’ny herinaratra ho an’ireo mandany mihoatra ny 25Kwh isam-bolana hanentsenana ilay fanenana ny fanampian’ny fanjakana. Mety hisy zavatra lehibe hafa tsy maintsy hampandeferina, raha toa ka hisy tokoa ny fampisondrotana mihoatra ny 8%. Miandry izay ho tohiny ny rehetra, fa ny azo antoka aloha dia tsy maintsy hitady izay fomba rehetra hifikirany amin’ny fahefana ny mpitondra ankehitriny, ka anisan’ny matetika fanao ny fanambazana ny mpiasam-panjakana. Mbola maro rahateo no tsy faly amin’ny fanjakana noho ilay fahatapahan-karama ny volana desambra teo, ka maro ny nahita faisana tao anatin’ny fety.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.