Nandiso fanantenana ny mpiasam-panjakana ny tsy fiakaran’ny karama tamin’ity taona 2018 ity. Efa tapitra nandray karama daholo izy ireo saingy tsy nisy fisondrotana, hoy ireo fonksionera maromaro nanontaniana.
Nisy aza moa nanao fitarainana mihitsy noho ny fikorontanana nitranga, indrindra tao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena (MEN). Tranga 8 no nisy tao anatin’ny tapak’andro harivan’ny fivoahan’ny karama, hoy ny tompon’andraikitra iray tamina Banky lehibe eto Antananarivo. Raha 320 000 Ariary ny karama tokony horaisina dia lasa 30 000 Ariary sisa nefa izy ireo tsy ao anatin’ireo lisitry ny fonksionera matoatoa noroahina. Fa mampametra-panontaniana ny maro ihany tokoa hoe nahoana moa ny fitondrana no tsy nahavita nampiakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana ? Safidy manokana sa fahasahiranana ara-bola ? Raha amin’ilay resaka safidy mantsy dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny propagandy hanomanana fifidianana ka izay no mety mampahihitra ny fanjakana. Tsy azo odian-tsy hita ihany koa anefa ny fianarana norantovin’ny mpitondra ka nahazoany mari-pahaizana maha mpikirakira matihanina azy amin’ny lafiny kaonty (expert comptable) ka sao dia misy ifandraisany amin’izay ny fitsitsiana ataony. Na dia eo ary izany dia hita soritra ihany koa anefa ny fahasahiranana ara-bolan’ny mpitondra amin’ny lafiny vola mihodina eto an-tanàna (liquidité) ka mampanontany tena ny tsirairay hoe mankaiza ary atao inona ny vola miditra amin’ny fanjakana ankehitriny ?
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.