May volon-tratra ny mpitondra manoloana ny zava-misy, hany ka mandray fanapahan-kevitra maimaika mba hamonoana ny afo. Hasondrotra 8% manomboka amin’ity volana mey ity ny karaman’ny mpiasam-panjakana, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny alatsinainy 30 aprily teo.
Fanambarana hita ihany fa natao maimaika ary azo hanaporofoana izany ny tsy nampiarahana ny fandefasana azy tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana.Ny tao amin’ny Radio nasionaly no nalefa mialoha, izay vao nanaraka ny TVM. Miarahaba anareo aho amin’izao fankalazana ny fetin’ny asa izao satria sady mampiaina sy mamelona ny isan’ankohonana ianareo no miantoka ny fihariana sy ny toekaren’ny firenena ihany koa, hoy ny filoham-pirenena. Tsara homarihana fa efa voasoratra tao amin’ny tetibolam-panjakana 2018 ary efa notaterin’ny filazam-baovao maro io fampisondrotana io. Nahoana anefa no tsy nampiharina avy hatrany tamin’ny volana janoary na farafahatarany ny volana febroary fa efa raikitra ny fitakiana sy ny fidinana an-dalambe aty amin’ny volana aprily vao nampiharina ilay izy ? Raha pi-maso ho an’ny mpiasa ny mba tsy hanatevenan’izy ireo ny hetsiky ny depiote ho an’ny fanovana aloha ny tanjona dia diso kajy ny fitondram-panjakana satria tena nahasarika mpiasam-panjakana maro be ary avy amin’ny sehatra rehetra ny rodorodo omaly niainga teny Mahamasina ary nofaranana tamin’nylahateny isan-karazany teny amin’ny kianja 13 mey. Raha misy ny tsy mampitovy hevitra dia tsy misy afa-tsy ny fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra no ahavitana mamaha olana, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Efa tara loatra anefa izany, hoy ny mpanohitra satria maro izay fiala-nenina efa natao izay saingy nanao be marenina ny fanjakana. Rajaonarimampianina miala no takianay, hoy izy ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.