Actualités

Kara-panondro 300 Ar no vidiny eo anivon’ny tranopritim-pirenena


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Nivoaka tamin’ny fahanginana Randriamboavonjy Jean Angelson, tale jeneralin’ny tranoprintim-pirenena nanazava ny mikasika ilay fiakaran’ny vidin’ny kara-panondrom-pirenena eto amintsika izay tena niteraka resabe tokoa teo aloha teo.

Nambarany fa mbola mijanona ho 300 Ar hatrany ny vidiny ao amin’izy ireo hatreto ary azon’ny rehetra jerena sy hamarinina ao anatin’ny tranonkalam-pifandraisan’izy ireo. Nomarihiny fa ny manamboatra sy mivarotra  ihany no anjara asan’izy ireo. Andraikitry ny fanjakana kosa  ny mametra ny vidiny eny anivon’ny distrika, hoy hatrany Randriamboavonjy Jean Angelson. Hatramin’izao, mahatratra 800.000 ny kaomandina kara-panondro azon’ny trano printim-pirenena, kaomandin’ny  komity mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI ankoatra ny an’ny minisiteran’ny Atitany. Mikasika ilay kara-panondrom-pirenena biometrika dia  nilaza ny tale jeneralin’ny trano printim-pirenena fa tsara ny fampiharana azy io. Tombony amin’ny fampiasana azy ny fahafoanan’ny fampiasana ny kara-pifidianana, tsy hisy intsony ihany koa ny hosoka satria ny olona iray dia kaody iray ihany ka tsy hisy intsony ny fantôma. Azo foanana amin’ny alalan’io kara-panondro biometrika io ihany koa ireo mpiasam-panjakana matoatoa...saingy tsy afaka manatanteraka izy ireo raha tsy eken’ny fitondram-panjakana ny fanatontosana azy na dia hananany aza ny tetibola ho enti-manatanteraka izany.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT