Actualités

Kapiteny Andriantiana Falihery Dia ho matimaty foana ve ?


  • Alarobia 16 Septambra 2015

Miteraka fikorontanan-tsaina eo anivon’ny fiarahamonina misy ankehitriny ity fandripahana mpitandro filaminana eto Madagasikara ity. Miandrandra fandraisana andraikitra marina ny vahoaka.

 


Ho fankasitrahana ny zava-bitany teo anivon’ny firenena sy teo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia nakarina eo amin’ny gradin’ny « Chef d’Escadron » ny kapiteny Andriantiana Falihery, kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena tao Betroka izay nisy namono ny alahady tolakandro teo, tao Mangalahily kaominin’Ivahona, distrikan’i Betroka. Omaly maraina no tonga tao amin’ny biraon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teny Betongolo ny vatana mangatsiakan’ny Chef d’Escadron Andriantiana Falihery mba homem-boninahitra farany. Araka ny fanazavana nomen’ny jeneraly Rakoto Rodin François, kaomandin’ny zandarimariam-pirenena dia tokony ho namangy sy naneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviamben’ny zandary ireo mpikambana ao amin’ny governementa omaly hariva ary anio no hiondrika eo anatrehan’ny vatana mangatsikan’ny Chef d’Escadron, Andriantiana Falihery ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

 Fa mahalasa eritreritra ihany ny fahafatesan’ny kaomandin’ny kompanian’ny Betroka. Omaly dia nisy nikasa hiditra an-keriny tao an-tranony tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Tany an-piandohana dia voalaza fa olona roa no saika hiditra tao an-tranony izay marihina fa ao anatin’ny tobin’ny zandary ao Betroka no misy io trano io. Omaly antoandro anefa dia heno fa iray indray ny olona saika hiditra tao ary efa maty voatifitry ny zandary ihany.

Nanafika tobin-jandary

Tsy mbola fantatra hatramin’izao na olona saika haka antontan-taratasy saro-pady tao an-tranony na saika hanao inona fa dia mahagaga ny hoe any an-tranon’ny lehiben’ny zandary izay ao anaty toby no hangalatra, raha tsy ao zavatra atokisany.

Tsara homarihina fa ny volana aogositra teo, nisian’ny disadisa ka nahafaty kandida ho ben’ny tanàna iray, Tsiharagny Retana avy amin’ny fikambanana tsy miankina Firaisakina, tany amin’ny kaominin’Ianakafy, ao amin’ny distrikan’i Betroka ihany dia efa nisy tsy fifankahazoan-kevitra teo amin’Atoa Randrianasolo Jean Nicolas Solombavambahoakan’I Betroka sy ny mpikambana avy tao amin’ny OMC Betroka. Nanome baiko mantsy Atoa Solombavambahoaka ny hidinan’ny OMC tany an-toerana mba handamina ny raharaha kanefa tsy nisy nanoina ny baikony. Toerana fiavian’ingahy Solombavambahoaka i Ianakafy. Na ny maty na ny nahiana ho namono izay avy amin’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara izay tohanany dia samy havany avokoa. Niteraka tsy fifankahazoana teo amin’ny chef d’Escadron Andriantiana Falihery sy Atoa Solombavambahoaka io disadisa teny Ianakafy io ka nahabe ny ahiahin’ny olona ao Betroka. Ambonin’izay, misy manamboninahitra lefitra fianakaviana akaiky an’ingahy Solombavambahoaka miasa eo ambany fifehezan’ity komandy maty ity. Vao mainka mahalasa saina ny mpanara-baovao ny manodidina ilay fikasana hiditra an-keriny tao an-tranon’ny komandin’ny kompania izay efa nahazo fandrahonana efa ela ny hafindra toerana fa manelingelina.

 

Tsy maty manota

Olana iray tsy mahafoana ny asan-dahalo ao Betroka koa ny firoboroboan’ny aferana basy sy bala izay jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana kanefa ireny no tena mamatsy bala ny dahalo. Ny lefitra voalohan’ny kaomandin’ny zandary ao Betroka dia efa nanamafy fa efa nosamborina ireo olona mpanao io asa ratsy io saingy mbola votsotra hatrany. Anisan’ny efa nosamborina kanefa efa miriaria any Betroka ankehitriny ny ramatoa iray izay voampanga ho nanao ity asa maizina ity. Marihina fa olona akaiky an’ingahy Solombavambahoaka Randrianasolo Jean Nicolas ity ramatoa ity ary ao aminy hatrany no mivantana ny tenany rehefa tonga any Betroka. Arovan’ny lalàna ny tsirairay hiaro ny tenany fa manoloana ireo trangana tsy fandriampahalemana miseho any Betroka dia mila mitondra fanazavana izy izay filohan’ny komitin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana fahatelo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.


Ra-bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT