Actualités

Kaontenera misy «varahina» Nosokafana amboletra teny Ivato


  • Alakamisy 02 Septambra 2010

Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina omaly dia efa nifamotoana tetsy amin’ny tobin’ny zandary etsy Ivato ny ministra efatra eo anivon’ny governemanta tetezamita. Ny tanjon’ireo dia ny hanokafana ilay kaontenera misy varahina avy amina vakivakintsambo milanja 17,5 taonina.

Tsy nisy resaka firy fa avy hatrany dia nopoirina ny hidin’ilay kaontenera ary nojerena ny tao anatiny. Raha ny filazan’i Lovaniaina Andrianandrasana izay tomponandraikitry ny sosaiety RDM dia tsy mba nampahafantarina izany akory izy ireo. “Avy hatrany dia novohaina ireo kaontenera ary raha tsy mba nisy olon-tsotra nampandre anay dia tsy fantatra intsony izay niseho teo” raha araka ny fanazavany. Raha hiverenana dia ny alatsinainy 30 aogositra teo no tonga teny an-toerana ny solontenan’ny ministeran’ny fitaterana mba hamoha ny kaontenera. Tsy nanaiky anefa ny RDM rehefa tsy misy ny taratasy ara-dalàna mifandraika amin’izay. Omaly ary dia nanao rodobe teny an-toerana ny ministry ny fitaterana, ny kolontsaina, ny tontolo iainana ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary namaha io kaontenera io. “Natao amboletra izany satria tsy nisy taratasy hahafahana mamaha ny kaontenera tany amin’izy ireo. Dia mba aiza izany ny fahaleovantenan’ny Fitsarana izay efa namoaka didy mazava ny mba hahafahanay mitazona ny entana sy manondrana izany araka ny asanay ? Moa va mba mipetraka amin’ny tany misy lalàna sy manana fiandriam-pirenena isika ? Kivy tanteraka izahay manoloana ny zava-misy satria tena baranahiny tanteraka ity mihatra aminay ity. Indrindra koa raha olo-be izay tokony hatao maodely toy ireny no manao toetra tsy mendrika toy izao” raha araka ny fanazavan’i Lovaniaina Andrianandrasana hatrany.

Io farany moa dia nilaza fa very hevitra tanteraka amin’izao fotoana izao satria ny didim-pitsarana, indrindra koa efa ny ambaratongam-pitsarana mpandrava didy no namoaka izany, kanefa dia tevatevaina toy izao. Raha mba nisy ny firaharahana tsotra fa hoe ilain’ny firenena ireo varahina ireo dia azo atao tsara ny nifanaraka. Fa eto dia amboletra tanteraka sy ny “mena ambonin’ny mena” no miseho ka inona intsony no mba azonay atao ?, hoy hatrany io loharanom-baovao io. Nofaranany fa mangataka ny mba hamaizana ireo mpikamban’ny governemanta ireo amin’ny alalan’ny vahoaka Malagasy izy ireo raha mbola tany misy lalàna ihany koa eto, ary raha mbola misy ihany koa ny fahaleovantenan’ny fitsarana…

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT