Actualités

Kaontenera misy varahina Nisy tafondro 13 rehefa nosokafana


  • Talata 31 Aogositra 2010


Raha fatim-by no nolazain’ny orinasa izay nikasa ny hanondrana ireto varahina ireto tany ivelany dia fantatra omaly fa tafondro 13 ny isan’ireo tao anatin’ilay kaontenera avy any Toliara. Tany Toliara no saika haondrana ireto varahina ireto saingy tsy tontosa izany satria nanda ny manampahefana tany an-toerana. Voatery nentina taty an-drenivohitra ny nanaovana izany satria aty, hono, no misy ny mpiaro ilay tompony raha misy ny volo manoha randrana. Kinanjo izay tokoa ny zava-nisy. Rehefa sarona teny Ambohimandroso ireto varahina ireto dia avy hatrany nentina teny Ivato ao amin’ny tobin’ny zandary. Niditra an-tsehatra i Sareraka izay mpikambana FAT ary nanonona mihitsy ny anaran’ny filohany fa tsy nanaiky ireo zandary teny Ivato. Araka ny taratasy mirakitra ny fanisana ireto varahina ireto anefa izay tamin’ny oktobra 2009 dia 13 ireo tafondro tavela ao. Eo indrindra no mipetraka ny olana satria ny tompon’ilay entana dia, milaza araka ny fanambarana izay nataony fa fatim-by ireo 17,5 taonina ireo. Hatramin’ny omaly, mbola eny Ivato ireto varahina ireto. Ingahy Sareraka moa tsy naharesy lahatra ireo zandary eny an-toerana mihitsy ny amin’ny baikony hamelana ity karazam-by ity handeha malalaka. Lasa adin’ny samy FAT indray araka izany ity resaka ity. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT