Actualités

Kaontenera mihitsoka ao Toamasina Handoavana 80 000 ariary isan’andro


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Nalaza tato ho ato fa misy kaontenera miisa 1500 voageja ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy fantatra mazava moa izay tena entana ao anatin’ireto kaontenera ireto.

Tsy mbola nandrenesam-peo mikasika izany rahateo ireo minisitera heverina ho tompon’andraikitra manontolo na amin’ny ampahany amin’izany. Raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpamongady entana ilaina andavanandro kosa dia tsy vary akory no voahidy ao. Mbola manodidina ny 400 ka hatramin’ny 500 ariary eo avokoa ny kapoakan’ny vary hatreto na dia teo aza ny fahatapahan-dalana vokatry ny rivodoza. 1400 ka hatramin’ny 1450 ariary ny kilao. Andrasana hamaha olana amin’ny tranga tahaka itony ny fitondram-panjakana satria dia mamono antoka ny mpandraharaha ny fijanonan’ireo kaontenera eny amin’ny seranan-tsambo. 80.000 ariary isan’andro, raha ny fampitam-baovao, no alain’ny orinasa MCTSL, amin’ny kaontenera iray “20 pied”.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT