Nanao fanambarana tetsy amin’ny ANS Ampefiloha omaly ry zareo avy eo anivon’ny CSAEM na ny “Confederation des Syndicats et des Agents de l’Etat Malagasy” fa manohana ny tolona sendikaly rehetra izay mivondrona ao anatin’ity kaonfederasionin’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ity.
Tsy politika io fa fiadiana ho an’ny famerenana ny zon’ny mpiasa izay voahitsakitsaka ankehitriny, hoy ny fanambarana. Tsy ekena intsony ny endrika fanitsakitsahana rehetra ary mba tena ho mpiasam-panjakana vanona sy mahavita ny andraikitra apetraka aminy dia ilaina ireo antoka fototra dia ny fametrahana ny mari-karama tokana sy ny fanavaozana ny volavolan-dalàna momba ny asam-panjakana izay efa tsy mifanaraka intsony amin’ny vidim-piainana. Mitohy ny fitetezana minisitera hanentanana ireo mpiasam-panjakana hiditra ao anaty CSAEM fa fotoana tokony hivondronana izao, hoy ny filoha lefitr’ity vondrona ity, Seth Ramaroson.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.