Actualités

Kaominin’i Miandrivazo Nofaizina noho ny hambo-po politikan’ny HVM ?


  • Talata 09 Janoary 2018

Vaky ny tohodranon’i Mahajilo, ka saika ny tanànan’i Miadrivazo manontolo no traboina amin’izao fotoana izao. Tsy manan-kaleha ny vahoaka satria hatramin’ny tranompokonolona no lasibatra. Vokatry ny tsy firaharahiana nataon’ny fanjakana foibe no mety antony iray lehibe satria ny volana ferbroary 2016 nitokanan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina Birao Ifoton’ny Fananan-tany (BIF) sy Toeram-pandidiana (Bloc Opératoire),

dia voalaza fa efa nangataka tamin’ny filoha ny hanamboarana azy ny ben’ny tanàna. Efa nampahafantarina tamin’izany fotoana izany, fa ho vaky ny fifiloha sy ny tohodrano raha sanatria ka somary mahery ny oram-pahavaratra, izay loza mitatao ho an’I Miandrivazo manontolo. Tsy nohenoina sy tsy norarahiana anefa izay fangatahana sy fitarainana izay matoa tsy nisy ny fanamboarana. Marihina fa ben’ny tanàna avy amin’ny Antoko Tiako Madagasikara na ny TIM no mitantana ny tanànan’i Miandrivazo, izay heverina fa antony tsy nirarahiana ny fangatahana na dia efa loza mitatao ho an’ny vahoaka izao ny tsy fanamboarana ny fefiloha sy ny tohodrano. Zava-misy tsy takona hafenina eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao rahateo ny fitondra-mitanila ataon’ny fanjakana HVM, ka ny kaominina sy faritra hananan’izy ireo olom-boafidy ihany no ezahina atosika sy karakaraina, fa ny hafa kosa dia toa atao izay fomba rehetra hamotehana sy hanabaribariana, fa tsy mahavita azy. Toa somparana mihitsy hoenti-maneho sy mirehareha, fa ny HVM no mahavita zavatra sy afaka mampandroso, ka hatramin’ny vola fanampiana ny kaominina aza, dia ireny niaraha-nahita ireny ny teto Antananarivo hoe nanaovana antsojay tsy nomena tamin’ny ankampobeny. Ny tena marina anefa tsy ny mpitondra no tena simba sy potika fa ny vahoaka no mety hahita loza amin’ny fihetsika mety tsy ho voahevitra sy baikoin’ny hambom-po politikan’ny mpitondra fotsiny. Raha mba nihaino ny fangatahan’ny ben’ny tanàna tamin’ny fijerena akaiky ny fanamboarana ny fefiloha tao Mahajilo izao ny filoha tsy ho tra-doza tahaka izao mihitsy ny vahoakan’i Miandrivazo. Rehefa avy eo izany dia ho avy indray hisehoseho amin’ny fanampiana fa mitsinjo ny vahoaka traboina, kanefa raha mba nandray andraikitra tsy nisy ny loza?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT