Actualités

Kaominin’i Mahitsy Misy tsy mirindra ny fandaminan’asa


  • Alarobia 17 Janoary 2018

Hitarainan’ny vahoaka eny amin’ny kaominin’i Mahitsy an-tampon-tanàna ny fandaminan’asa tsy mirindra eo anivon’ity tanàna ity.

Nandrasan’ireo mpitatitra elaela ihany ny hanamboarana ny lavaka nigodana hita teo anoloan’ny vavahady miditra ao anaty kianja filalaovam-baolina izay ataon-dry zareo fiantsonana rehefa andro sabotsy andro tsena nefa tsy hita izay fanatanterahana azy. Voatery ireo mpitatitra no nanao tsipaipaika nanakarama olona nanototra an’io lavaka nanimba fiara io ankoatra ny “droit de stationnement” efa haloan’izy ireo tsy tapaka ao amin’ny kaominina.

Hitarainan’ny vahoakan’i Mahitsy koa ny afitsoky ny mpitondra ny tracteur, iray amin’ireo manangona fako, apetraky ny mponina eny an-tsisin-dalana araka ny nifanarahany tamin’ny kaominina nefa dia mbola angalany vola indray ireo mponina ka mahatonga ny maro hieritreritra fa ndrao dia misy kopaka hisasahana eo amin’ity mpamily ity sy ry zareo ao amin’ny kaominin’i Mahitsy ?

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT