Actualités

Kaominin’Antananarivo Renivohitra Mangarahara tanteraka ny fitantanana


  • Alarobia 15 Novambra 2017

Manoloana ny fanaratsiana sy fanenjehana ataon’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo Lalatiana Ravololomanana, ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana dia nampiantso mpanao gazety tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely omaly ny lefitra faharoan’ny ben’ny,

Julien Andriamorasata, ary namehy fa fankahalana tsotra izao ny ben’ny tanàna no famakafakana ataon’ity mpanolotsaina iray ity. Antony hankahalany ny ben’ny tanàna voalohany, hoy ity lefitry ny ben’ny tanàna ity, dia noho i Neny naharesy azy tamin’ny fifidianana. Faharoa, ny fahazoan’ny ben’ny tanàna amboara mariky ny fahaiza-mitantana tany Milan. Fahatelo, zanany no nampandraiketana ny asa maha tale misahana ny raharaham-pitsarana tato amin’ny CUA saingy nafindra toerana satria nanda baiko tsy nandefa ireo taratasy tokony ho nalefa tany anivon’ny prefektiora. Ny fahefatra izay tena alahelony moa dia ny nanomezan’ny filankevitry ny tanàna ny fahafaham-piaraha-miasa amin’ny Omavet. Mety ho antony fahadimy koa anefa ny maha mpikarama an’ady politika azy ka tsy hitady afa-tsy vola.

Mangarahara ny fitantanana ao amin’ny CUA

Naranty teo imason’ireo mpanao gazety mihitsy moa omaly ny kaontim-pitantanan’ny CUA 2015 sy 2016 ho porofo fa nangarahara hatrany ny fitantanana nisy. Efa ho 30 miliara ariary ny trosa nolovaina tamin’ireo mpitantana nifandimby ny tanàna, hoy hatrany ny fanazavana, ary efa maro ireo saika nanda tsy hiara-kiasa amin’ny CUA intsony. Voatery nitady fomba hafa ny kaominina hahafahana mampiodina ny raharaha rehetra ka isan’ny ho ampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Tsy marina ny filazana fa tsy tafiditra tao anaty tetibolan’ny kaominina ny resaka Easy Park satria tsy maintsy tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe “Rubrique budgétaire”  ny “droit de parking” na saram-piantsonana. Azo lazaina ho manome tombony ny kaominina mihitsy aza ity orinasa misahana ny resaka fiantsonana eto Antananarivo ity satria dia 80%n’ny enti-manana rehetra ahafahana mampandeha tsar a ny raharaha amin’izao fiatombohany izao dia iantohany avokoa. Mbola mariky ny fahatsaran’ny fitantanana ao amin’ny CUA, ihany koa, raha ny fanazavana hatrany ny fanomezana fankasitrahana manokana ireo mpiara-miasa amin’ny desambra. Miisa 3200 amin’izao fotoana izao ireo mpiasan’ny kaominina, raha 3450 teo aloha. Ary mitentina 8 miliara ariary isam-bolana no atokana ho karaman’ireo mpiasa raha 3 miliara ny an’ireo teo aloha.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT