Nampahafatarina ny lehiben’ny Distrika sy ny Ben’ny tanŕnan’i Toliara, ny zoma teo, ireo fiarabe telo vaovao hitaona fako niampy dabam-pako sivy avy amin’ny tetikasa PASSAT (Projet d’Assainissement Solide et de Sécurité Alimentaire ŕ Tuléar) hanadiovana ny tanŕna hialana amin’ny fiavosan’ny fako etsy sy eroa.
Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny «Welt Hungr Hilfe» vatsian’ny Fanjakana Alemana vola no nahazoana ireo fitaovana ireo. Izao no tanteraka dia noho ny fahatomombanan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, ny WHM sy ny Kaominina ambonivohitr’i Toliara. Fokontany 20 ao Toliara no voadio tsy tapaka mandritra ny telo volana. Ny Kaominina no miantoka ny solika ilaina, manolotra ihany koa ny mpiasa misahana ny fikirakirana ny fako eo ambany fiahian’ny WHH. Marihina fa efa telo taona ity fandaharan’asa Alemaina ity no niasa teto amintsika, ary sampan’asa efatra no sahaniny dia ny fanadiovana tanàna, fanorenana fotodrafitrasa momba ny fambolena, famatsiana rano fisotro madio ary fanohanana ara-tsakafo.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.