Nivadika ho fisamborana ny sakoroka naharatrana mpiasa iray tao amin’ny Lapan’ny tanàna ny zoma teo,
rehefa nifampitana ny mpanao fitokonana sy andian’olona nikasa hanala ny sakana tamin’ny varavarana hidiran’ny Ben’ny tanàna Ratsiraka Elysée birao. Ny sabotsy teo dia mpiasa telo no namoahan’ny lehiben’ny fampanoavan’ny Fitsarana Toamasina didy fampisamborana, taorian’ny fitoriana napetraky ny Ben’ny tanàna. Nisy ny sarika ampandriana. Iray no tratra tao an-tranony, Atoa Solofo Ginah izay sady mpiasa no mpanolotsain’ny kaominina. Nivavaka maraina ny faharoa ka tsy tratra tao an-trano. Niakatra aty Antananarivo ny harivan’ny zoma ny fahatelo. Nanomboka tamin’ny 7ora maraina hatramin’ny 6ora hariva no nihazonana an’Atoa Solofo vao navotsotra. Na teo aza izany dia milaza ny tsy hihemotra amin’ny fitakiana karama enim-bolana tsy voaloa ireo mpiasa. Ny Ben’ny tanàna an-kilan’izay dia efa nampanolo ny fanalahidin’ny varavarana io sabotsy io.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.