Actualités

Kaominina Talatamaty Nahazo tobin-janaparitra vaovao ny ao Ambohitravao


  • Talata 31 Martsa 2015

Hihena amin’ny ampahany ny asan-jiolahy eny amin’iny faritra Talatamaty iny.

Nahazo tobin-janaparitra vaovao mantsy ny ao Ambohitravao, fotodrafitrasa vaovao hiarahana amin’ny SSSM na ny Spécial Security Services of Madagascar, orinasa iray hivondronan’ireo andian-dehilahy voatokana hanao asa fiambenana sy ny kaominina. Miara-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana ny orinasa amin’ny fanatanterahana ny asany izay ahitana lehilahy miisa enina isaky ny paositra. Mahatratra 120 isa ireo ivontoerana efa  misy azy ireo eto Antananarivo mampiasa olona manodidina ny 700 isa. Vonona hiara-kiasa amin’izy ireo ny kaominina Talatamaty tarihin’ny Ben’ny tanàna Razafindratsimba Rado. Tanjona ny hahafahana miaro ny mponina sy ny fananany,  indrindra amin’izao firongatry ny tsy fandriampahalemana izao. Fomba fiasan’ny mpiambina moa ny fametrahana centre d’alarme amin’ny trano sy ny fampahafantarana haingana ilay toerana misy ny tranga amin’ny tompon’andraikitra. Hisy koa tele surveillance ahafahana mahafantatra ny zava-misy manodidina.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT