Taorian’ireo zokiolona sy fianakaviana sahirana ara-pivelomana notoloran’ny kaominina Talatamaty fanampiana nandritra ny fetin’ny
Asaramanitra teo dia kilonga madinika latsaky ny dimy taona miisa 100 indray omaly maraina no notoloran’ny Principauté de Monaco sy ny orinasa Star bodofotsy mafana. Tao amin’ny fokontany Ankadivory no nanatanterahana izany, fokontany fahatelo nahazo fanampiana ho an’ity kaominina iray tato anatin’ny telo taona misesy. Raha araka ny fanazavan-dRabemanolontsoa Niry vice consul an’i Monaco dia efa fanaon’izy ireo ny hetsika fanampiana ny ankizy sahirana tahaka izao, indrindra fa rehefa vanim-potoanan’ny ririnina. Fokontany folo isan-taona no mahazo tombontsoa izay misy ankizy 1.000 eo ho eo. Ireo zanaky ny tena sahirana ara-pivelomana moa raha tsiahivina no tena lohalaharana, raha nankinina tamin’ny fokontany kosa ny fanangona ny anarany. Velom-pisaorana ireto malala-tanana ireto ny Ben’ny tanànan’i Talatamaty Rado Razafindratsimba.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.