Actualités

Kaominina Sabotsy Namehana Zazalahy kely 100 no indray noforaina


  • Zoma 09 Jolay 2010


Tontosa ny talata 06 jolay teo ilay famoran-jaza faobe maimaimpoana, nokarakarain’ny kaominina Sabotsy Namehana, distrikan’Antananarivo Avaradrano. Tao amin’ny Csb II ao an-tampon-tanàna no nanatontosana ny hetsika ka zazalahy kely miisa 100 eo anelanelan’ny roa ka hatramin’ny 6 taona no nahazo tombontsoa tamin’izany. Ny dokotera Fidy Bariniaina etsy Ambatomainty, Boriborintany fahadimy no nanatontosa ny fandidiana tamin’ny fomba amerikanina. Andiany faharoa ity notontosaina ity raha tamin’ny fiandohan’ny volana jolay lasa teo ny andiany voalohany, izay namorana zazalahy kely 44 isa ihany koa. Tonga nanotrona ireto zazalahy kely vao noforaina ireto sy ny fianakaviany ny fikambanam-behivavy Avotra Aina, notarihin’ny filohany Razanamanana Haja Lalao. Nisy ny fanoloran’ny mpikambana kilalao sy vatomamy ary bisky ho azy 100 lahy nandritra izany ho famalifaliana azy ireo. Tsiahivina fa ny 61 isa tamin’ireo zazalahy kely miisa 100 ireo ihany no voasoratra anarana. Na izany aza anefa noraisina tamim-pitiavana avokoa izay rehetra tonga ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano. Nisy tamin’izy ireo no avy any amin’ny kaominina manodidina toa an’Ambohimanga sy Vilihazo. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT