Mpiara-miasa nanomboka ny 20 mey 2015 teo ny kaominina renivohitr’i Boeny sy ny orinasa Telma.
Vita tamin’io andro io mantsy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Azo aloa amin’ny alalan’ny Mvola ireo haban-tsena eo anivon’ity kaominina ity manomboka amin’ny fiandohan’ny volana jona 2015, araka ny voalazan’ny taratasy fifanekena. Tanjona amin’ny fiaraha-miasa moa ny fametrahana fomba fiasa vaovao ho fanatsarana ny fitantanana sy ny fanangonan-ketra avy amin’ireo mpivarotra. Voakasik’ity tolotra vaovaon’ny Telecom Malagasy ity avokoa moa na ny hetra andavanandro na ireo tokony haloa isam-bolana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.