Actualités

Kaominina Manerinerina Mangataka hatao distrika


  • Alarobia 08 Septambra 2010


Hetahetan’ny mponina ao Manerinerina, Distrikan’Ambatoboeny ny hanana distrika iray mahaleotena. Sahirana tokoa mantsy ny mponina rehefa hikarakara antontan-taratasy noho ny halaviran-toerana. 10 km be izao mantsy ny elanelan’ny kaominina Manerinerina sy ny renivohitry ny distrika. Raha nanao fitsidihana tany an-toerana ny lehiben’ny faritra Betsiboka dia nanambara fa lafin-javatra maro no jerena vao afaka mandinika ny fangatahana ny fanjakana foibe. Hentitra koa ny tenany momba ny fandriampahalemana satria tsy hisangisangy intsony ny mpitandro filaminana manoloana ny asa ratsin’ireo malaso. Hanomboka tsy ho ela rahateo ny “opération coup de poing” raha ny fanazavany ihany. Momba ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny dia hanara-maso ireo kaominina rehetra nahazo famatsiambola avy amin’ny FDL eo ambany fiadidiany ny faritra amin’ity herinandro ity ankoatra ny fizarana «titra» 1000 eo ho eo amin’ny sehatry ny fananantany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT