Actualités

Kaominina Manakara Mipaika ny oran’ny fampandrosoana


  • Zoma 24 Febroary 2017

Anisan’ny tanŕna mafana ara-politika i Manakara ao Vatovavy Fitovinany. Nanaporofo izany ny tranga tamin’ny 2009.

Nivadika ny pejy ankehitriny, indrindra hatramin’ny nahavoafidy indray an’i Andriano Giscard hitantana ny tanàna. Haverina amin’ny laza tsarany i Manakara, hoy ity farany ary maro ny asa efa natomboka tamin’ny 2016 ho amin’izany. Raha ny amin’ity 2017 ity fotsiny dia sokajy efatra lehibe no hiompanan’ny tetikasa hotanterahina, izay vola madiodion’ny kaominina no hoenti-manana ny ankamaroany. Misy kosa fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina sy ny governemanta ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy mpamatsy vola mahazatra. Eo amin’ny lafin’ny sosialy dia fanambin’ny kaominina ny hanomezana rano maimaimpoana ny mponin’i Manakara. Tsy handoavam-bola ny rano amin’ny paompy. Eo koa ny fahadiovana sy ny fanadiovana, harahina ady amin’ireo bibikely sy katsentsitra samihafa mpanaparitaka otrikaretina. Hahazo tohana manokana ireo mpianatra hiatrika BEPC sy bakalôrea. Manomana fora zaza faobe koa ny kaominina hanalana fahasahiranana ireo ray aman-dreny. Ara-panatanjahantena dia hisy ny fiadiana ny Amboaran’ny 26 jona, hifaninanan’ny tanora isam-pokontany ankoatra ny fanatsarana ny kianja. Fa hanamarika ity 2017 ity, ny fanorenana fotodrafitrasa izay tena ilain’ny mponina toy ny toerana fanasan-damba, ny trano fidiovana ao Manakara be, Tanambao, Andranofasika, Ambodiampaly, gare routière, bazar Tanakidy, Bazar Andriana, Ampilao … miaraka amin’ny fanazavana ny tanàna ary koa fanorenana toerana fialamboly sy sehatra maitso. Hisy koa ny fandavahana vovo-drano maro, toy ny ao Maroalakely sy EPP Mangarivotra-Ouest. Hasiam-panamboarana ihany koa ireo tetezana efa nampitaraina ny mponina, toy ny tetezan’i Tsararano sy ny tetezana Filadelfia. Fa anisan’ireo tetikasa goavana andrandrain’ny vahoakan’i Manakara sy iny Faritr’i Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana manontolo iny ny fahavitany, dia ny seranan-tsambon’i Manakara, ny fotodrafitrasan-dalamby FCE (Fianarantsoa Cote Est), ny tsena ary ny tetezan’i Manakarabe, izay tapaka tamin’ny 2012. Ity farany, raha ny vinavina re hatreto dia hatao “Pont Bailey” aloha, hiverenan’ny fifamoivoizana amin’ny laoniny satria mampidi-doza ny fivezivezena amin’ny lakana, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT