Mangata-panazavana mikasika ny fitantanana ny tsenan’ny kaominina ao Mahitsy ny mpivarotra ara-dalàna mpampiasa io toerana io noho ny tsy fahatomombanan’ny fotodrafitrasa rehetra ao.
Manomboka sahady mantsy ny fijalian’ny mpivarotra ankehitriny nefa vao miandoha ny orana satria fotaka mandrevo ny ao anaty tsena iray manontolo ka sady tsy misy hamelarana entana no mampitsoaka mpanjifa. Simba daholo ny trano fivarotana (pavillons) naorin’ny kaominina fahizany noho ny tsy fikarakarana azy. Tsy azo ampiasaina mihitsy ny sasany satria efa nikipaka an-taona maro ny tafo ankoatra ireo mitete sy manimba entana. Miteraka ady lava ho an’ny mpivarotra koa ny fifandrombahana toerana nefa tsy misy mpandamina. Efa nampitaina tamin’ny lehiben’ny tsena tao an-toerana ireo toe-javatra rehetra ireo nefa tsy nisy asany afa-tsy ny fanaraha-maso fahadiovana sy fandriampahalemana ao amin’io faritra io. Nankasitrahan’ny mpivarotra mihitsy anefa ny fomba fiasany hatramin’ny nanendrena azy saingy tsy mazava ny antony nampiova tampoka azy tato anatin’ny tapa-taona. Volabe isan-karazany anefa no takina amin’ny mpivarotra ao Mahitsy. Takin’ny mpivarotra, noho izany, ny mangarahara amin’ireo haba sy hetra mbamin’ny hofan-tsena alaina amin’izy ireo tsy tapaka, ho fisorohana ny kolikoly sy fanodinkodinam-bola, satria tsy misy vokany ny fandoavana azy. Mangataka fihaonana iarahana amin’ny ben’ny tanàna sy io lehiben’ny tsenan’i Mahitsy io ny mpivarotra, hifanazavana, mialoha ny hisian’ny hetsika fitakiana an-dalambe noho ny faharatsian’ny fitantanana io toeram-piasana mampidi-bola ho an’ny vahoaka sy ny fanjakana io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.