Afa-pahasahiranana tanteraka ny kaominina Maereza, distrikan’Ambohidratrimo. Tonga nanolotra fanampiana ho azy ireo toy ny paompin-drano fisotro madio, trano fivoahana ho an’ny hôpitaly sy ny CEG ao an-toerana, toerana fanasan-damba ho an’ny mponina mantsy ny fikambanana Rotary Club Antananarivo Ambohitsirohitra sy ny fikambanana Youth Linc ny faran’ny herinandro teo.
Mitentina 102 tapitrisa Ar no teti-bidin’ny foto-drafitrasa kasaina ho vita ato anatin’ny efa-bolana. Nambaran’ny Ben’ny tanana Rakotoarisoa Fenohery Jhonny nandritra izany fa ny orinasa Fikirizana izay manatanteraka ny asa no mandray an-tanana avy hatrany io lela-vola io. Anjaran’ny kaominina sy ny fikambanana Rotary kosa no manara-maso ny asa izay marihina fa noezahina mba hanara-penitra avokoa. Tanjon’ny roa tonta amin’izany ny hanalana ireo mponina amin’ny fanaovana maloto an-kalamanjana izay tena miteraka aretina marobe tokoa. Toraka izany koa ny fisotroana sy fampiasana tsy azo antoka raha toraka izay ny fanasana lamba eny amin’ny rano mandeha. Ankoatra ireo foto-drafitrasa marobe ireo moa dia fantatra fa hanolotra I pad ho an’ny kaominina Maereza ihany koa ireo fikambanana roa ireo entina hampianarana informatika maimaim-poana ireo zana-bahoaka ao an-toerana. Fokontany roa moa raha tsiahivina no hahazo tombontsoa mivantana amin’ireo foto-drafitrasa vao hamboarina ireo. Ny faran’ny herinandro teo no nametrahana tamim-pomba ôfisialy ny vato fehizoron’ny asa fanamboarana. Ankoatra izay dia efa manomboka ihany koa ny asa fanamboarana ny lapan’ny tanana vaovao izay vokatry ny ezaky ny Ben’ny tanana avokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.