Nahatsiaro manokana ireo zokiolona sy fianakaviana sahirana ara-pivelomana omaly ny fiadidiana ny kaominina ambanivohitra Ivato tarihan’ny ben’ny tanŕna Randrianarisoa Penjy.
Nanolotra solombody akoho ho an’ireo ray aman-dreny tao anatin’ireo fokontany 6 mandrafitra ny kaominina. Nampisakafo atoandro ireo sokajin’olona marefo miisa 1.500 na 400 olona isaky ny fokontany ihany koa ny kaominina. Fahombiazana tanteraka moa iny taona 2016 iny hoan’ny tanànan’i Ivato, hoy ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna Andrianjakarivony Manitra. Tontosa ara-bakiteny rahateo nandritra ny taona voalohany ilay filamatra napetraka dia «Ivato Mamiratra-Tanàna Mandroso». Niompana betsaka tamin’ny fanamboarana sy fanarenana ny fitantanana amin’ny ankapobeny ny vontoatin’ny asa notanterahana tao anatin’ny 12 volana. Goavana indrindra ny ady tamin’ny fanafoanana ny kolikoly tamin’ny fametrahana fomba fiasa haingana amin’ny fikirakirana taratasy. Niezaka nanala ireo trosa be sy fako nivangongo nameno ny tanàna ihany koa ny ekipan’ny ben’ny tanàna. Manodidina ny 50 taonina isan’andro moa ireo loto tsy maintsy raofina manerana ireo fokontany 6. Natahorana mihitsy ny fihanaky ny aretina pesta teo aloha saingy efa tantara nivalona izany, araka ny fanamarihana voaray teny an-toerana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.