Actualités

Kaominina Ivato Tsy manaiky ny fandaminana ireo mpivarotra


  • Talata 06 Febroary 2018

Tsy mety hiala amin’ny toerany ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’Ivato. Raha araka ny fandaminana eo anivon’ny kaominina mantsy dia afindra amin’ny sisiny sy ambadiky ny tsena izy ireo hahafahana manomboka ny asa fanamboarana ny tsena iray manontolo izay haharitra telo volana.

Nanambara anefa ireo mpivarotra ireo fa tsy antonony azy izany sisiny sy ambadiky ny tsena izany nefa izy ireo mila mivarotra isan’andro satria samy mamelom-bady aman-janaka avokoa. Nisy mihitsy moa omaly ny fanatonan’izy ireo ny biraon’ny  kaominina, notarihin’Atoa Alain.  Nanambara kosa  anefa ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tanàna Atoa Rakotosolo Albert Clément nandritra izany  fa efa ao anatin’ny fandaminana farany ireo mpivarotra izy ireo ankehitriny dia hanomboka ny asa  mba ho tombontsoan’ny vahoak’Ivato iray manontolo. Nomarihiny ihany koa fa hahazaka mpivarotra an’arivony io tsena vaovao vao hamboarina io ka tsy hisy intsony ny fifangaroana fa hitokatokana isaky ny sokajy avy ny entana hamidy. Hitokana, ohatra, ny legioma …

 

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT