Actualités

Kaominina Ivato Mpiadina CEPE miisa 360 nomena fampitaovana


  • Alatsinainy 19 Jona 2017

Mpianatra miisa 360 hiatrika fanadinana CEPE no notoloran’ny fikambanana DESTINY fitaovana hiatrehana fanadinana rahampitso talata 20 jona.

 

 Avy amin’ireo EPP efatra ao amin’ny kaominina izy ireo, izay saika zanaky ny fianakaviana sahirana ka ny sabotsy teo no nanolorana izany teo amin’ny kaominina Ivato. « Tanjona ny hananan’ny mpianatra fitaovana ampy entiny miatrika ny fanadinana », hoy ny filohan’ny fikambanana Destiny, izay vadin’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Ivato, Randrianarisoa Hobisoa. Fanadinam-panjakana voalohany amin’ny fiainan’ny mpianatra ny CEPE ka rariny raha mendrika ny hotohanana izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza kosa ny mpampianatra fa misy amin’ireo mpianatra tena tsy manana fitaovana entina miatrika fanadinana mihitsy noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny. Manampy betsaka ireo mpianatra ny fanomezana toy izao.

 Jean D.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT