Actualités

Kaominina Ivato Firaisana Misy miandry hanendrena Pds koa


  • Alakamisy 17 Jona 2010

Andrasan’ny maro ny fampiharana ny lalàna amin’ny fametrahana Pds vaovao hitantana ny kaominina Ivato Firaisana. Araka ny fantatra mantsy dia efa dila ny roa volana, fe-potoana voatondro tokony hitondran’ny lefitry ny Ben’ny tanàna ny kaominina taorian’ny fahabangan-toeran’ny Ben’ny tanàna nanomboka ny 08 aprily lasa teo.

Hatramin’izao anefa dia tsy mbola hita taratra ny fampiharana ireo karazan-dalàna mahakasika izany na dia efa nanao tohivakana aza ny fangatahana tonga eny anivon’ireo tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany. Raha ny zava-misy any amin’ny kaominina sasany anefa nojerena dia hihazakazahan’ny fitondram-panjakana mafy ny manala amin’ny toerany ireo Ben’ny tanàna mbola am-perin’asa, soloina Pds. Ho an’ireo kaominina sasany tsy manana Ben’ny tanàna intsony toa an’Ivato Firaisana kosa anefa toa tazanim-potsiny, hoy ny feo re. Raha tsiahivina dia fanodinkodinam-bola teo anivon’ny kaominina  mitentina 14 tapitrisa Ar no nahavoarohirohy ny Ben’ny tanàna teo aloha ka nahatonga azy nandao tanteraka ny kaominina ary tsy hita mandraka androany. Sazy mihatra 18 volana no azony, miaraka amin’ny didy fampisamborana navoakan’ny fitsarana. Ireo mpiara-miasa aminy ihany araka ny vaovao voaray no nitory azy. Ankoatra izay dia fantatra koa fa tsy nisy asa fampandrosoana nandeha teo anivon’ny kaominina ka nahatonga ireo fikambanana maromaro toy ny Matsilo, ny Mandroso Mirindra, ny fikambanam-behivavy Mandroso… nangataka ary mbola mangataka  ny hametrahana Pds vaovao hitantana ny tanàna. Misy andian’olona mitsipaka izany koa anefa. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT