May ny sabotsy folakandro lasa teo ny telo ampahefatry ny tsena ao amin'ny Kaominina Ivato Aérport. Vokatry ny menaka nohafanaina tamina toeram-pivarotana iray no niteraka ny loza.
Vokany, trano fivarotana enta-madinika am-polony, niampy trano fivarotan'entana ambongadiny am-polony no lasibatra. Entana ana miliara maro araka izany no lasa lavenona niampy lelavola maro ho an'ny tranombarotra sasany. Trano hazo avokoa ny ankamaroan'izy ireo, antony nampiitatra haingana ny afo. Na izany aza, tsy nisy ny aina nafoy na ny olona naratra. Tsiahivina moa fa trano fivarotana maromaro tetsy amin'ny pavillon Analakely ihany koa no may tahaka izao ny zoma hariva lasa teo. Vokatry ny tandrevaka ihany koa no nahatonga ny loza, raha araka ny fantatra, ka tokony samy hitandrina ny tsirairay. Fotoana mampahazo vahana ny hain-trano indray mantsy ny hafanana tahaka izao raha ny nambaran-dry zareo teo anivon'ny mpamonjy voina ka tokony ho malina ny tsirairay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.