Actualités

Kaominina Imerintsiatosika Namboly zana-kazo 3.000 fototra


  • Alatsinainy 29 Janoary 2018

Miroso hatrany amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fiarovana ny tontolo iainana ankehitriny ny kaominina ambanivohitra Imerintsiatosika.

 

Zana-kazo 3.000 fototra no indray novolen’izy ireo tany Fonenana ny faran’ny herinandro teo, niarahana tamin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Andriambolanarivo Parisoa dia hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona ny tahaka izao, ao anatin’ny fanatrarana ilay tanjona hahatonga ny kaominina iadidiany ho lasa kaominina fitaratra amin’ny alalan’ny tontolo maitso. Saika tonga nanohana feno izao hetsika izao avokoa araka izany ireo hery velona rehetra eo anivon’ny kaominina, notronin’ireo mpianatra avy any amin’ny Ceg sy ny liseam-panjakana. Tsiahivina moa fa natomboka tamin’io faran’ny herinandro io ihany koa ny asa fanamboarana ilay kianja filalaovam-baolina ao amin’ny Fokontany Laborosy, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : ambony atsimo. Anisan’izany ny lalao baolina kitra, ny basket baolina, ny volley baolina…Miainga amin’ny herin’ny tenany irery aloha ny kaominina amin’izao fiandohany izao, fomba fiasan’izy ireo toy ny mahazatra izay hita fa tena nahitana fahombiazana tokoa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT