Actualités

Kaominina Fianarantsoa Tsy nandray karama roa volana ny mpiasa


  • Zoma 04 Jona 2010

Mandalo fahasahiranana ireo mpiasan’ny kaominina Fianarantsoa renivohitra. Roa volana tsy nandray karama izy ireo ankehitriny satria tsy voaloan’ny kaominina hatramin’izao ny karama volana aprily sy mey raha ny fanazavan’ny mpiasa.

Miisa 200 eo ho eo izy ireo no tratran’io olana io. Na dia mahatsiaro maharary aza ireo mpiasa dia tsy misy sahy mihetsika noho ny tahotra. Efa nitranga tamin’ny taon-dasa tokoa ny raharaha tahaka ity ka nitokona tsy nisy niasa avokoa ny mpiasa rehetra. Teo anatrehan’izany anefa dia niharan’ny ramatahora ireo mpitarika izay nisy voasambotra fa tao koa ireo nitsoaka nanavotra aina taty an-drenivohitra. Nesorina tsy ho mpiasa intsony izy ireo vokatr’izany satria nolazaina fa nitsoaka ny toeram-piasana. Miantso ny tompom-pahefana ireo mpiasa, araka izany, mba hijery akaiky ny raharaha. Amin’izy ireo dia tsy mitombina ny filazan’ny Pds Rakotoniaina Pety fa tsy manam-bola ny Kaominina matoa afaka nandefa mivantana tamin’ny fahitalavitra ny lanonana nanamarihana ny tsingerin-taona faha-50-n’ny tanànan’i Fianarantsoa andiany voalohany izay notontosaina tao an-toerana ny 20 ka hatramin’ny 24 mey lasa teo. “Milaza koa ny Pds fa hanofa “Ecran géant” handefasana ireo lalao mandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra ary hanolotra dabilio 100 ho an’ny fakiolten’ny fianarana mpitsabo izay hosokafana koa ny Kaominina. Matoa afaka manao fampanantenana dia manam-bola izay”, hoy ihany ireo mpiasa. Niezaka niantso ny Pds ihany ny teto amin’ny Tia Tanindrazana omaly mikasika ity raharaha ity fa tsy nahazo azy. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT