Actualités

Kaominina Antsirabe Renivohitra Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny fandaharan’asa MATOY


  • Zoma 17 Aprily 2015

Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antsirabe renivohitra sy ny fandaharan’asa MATOY ao Vakinankaratra.

 

 Miompana manontolo amin’ny fanatsarana ny fampidiran-ketra moa ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mba hanatsarana ny fidiram-bolan’ny kaomninina. Raha ny fanazavana nomen’Atoa Rakotonindrainy Christian, tompon’andraikitra ara-bola ao amin’ny Kaominina Antsirabe dia fahombiazana ny tetikasa andrana natao tamin’ireo fokontany niisa telo teo aloha ny taona 2014 lasa iny satria nampiakatra ny tahan’ny fidiran-ketra izany ka nahafahan’ny kaominina nandoa tsy tapaka ny karaman’ny mpiasa na dia mbola eo aza ireo trosa tsy voaloa mbola misy 4 volana eo ho eo. Fokontany miisa 4 indray no hiaraha-miasa amin’ity taona 2015 ity dia ny ao Mahazoarivo Avaratra, Ambohimena avaratra, Mahafaly ary Tomboarivo. Mpiasa an-tselika manodidina ny 50 no nofanin’ny kaominina ka ny fanavaozana ireo antontan’isa mikasika ireo tany sy trano tokony handoavana hetra no sahanin’ireo mpiasa hanao ny fanisana izay hanomboka ny talata 20 aprily ho avy izao ka haharitra 3 volana eo ho eo. Aorian’izay dia hisy amin’izay ny fitakiana ireo hetra mifanaraka amin’ny zava-misy marina avoakan’ny fanisana. Marihina fa ny manodidina ny 55%-n’ny fidiram-bolan’ny Kaominina Antsirabe dia saika ny hetran-trano sy tany no tena miantoka izany.

Caïus Raharison

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT