Actualités

Kaominina Antsirabe Niaro ny Ben’ny tanŕna ireo mpiara-miasa aminy


  • Alarobia 28 Jolay 2010

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny fiadidiana ny tanŕnan’Antsirabe ny tolakandron’ny talata 27 jolay 2010 teo mahakasika ireo resabe niseho an-gazety nisesisesy tato ho ato izay.

Araka izany dia nifantoka tamin’ireo resaka aely ny dinika, toy ny hoe niala ny tompon’andraikitra amin’ny fitantanam-bola, nandositra ny ben’ny tanàna, mikorontana sy tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa... Nambaran’izy ireo fa «lamina manaraka ny rafitra ara-panjakana ny antony nanovana ny fitantanana ara-bola ao amin’ny kaominina ary fanamarihana avy any amin’ny Trésor Public io. Tsy ny kaominina ihany fa hatramin’ny Faritra aza dia nahazo fanamarihana ka nanafoana ny ‘Percepteur principal’ fa tsy avy amin’ny kaominina, ary ny mpiasa dia tsy mbola tara izany ny karama fa azo hamarinina ny momba izany». Ankoatra izay dia nitondra fanazavana koa ny sekretera jeneralin’ny kaominina fa vavolombelona ireo mpanao gazety ao Antsirabe hilaza raha toa tsy misy sarin’i Andry Rajoelina ny biraon’ny kaominina iasan’ny Ben’ny tanàna fa tsy araka izay voalaza an-gazety raha toa ka misy teritery tokoa ny momba izany.

Nilaza koa ny mpitondra ao an-toerana fa vonona hatrany hanao izay hampandrosoana ny tanàna ary porofon’izany ny dia tany Norvezy, ny fihaonana natao tany Mahajanga niarahana tamin’ny AFD sy ny Banky Iraisam-pirenena sy ny sisa... izay tombony ho an’ny tanànan’Antsirabe. Resaky ny olona tsy mamim-bahoaka mitady seza avokoa ny ankoatra izay.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT