Mikatso ny famohana “quittance” eo anivon’ny trano printim-pirenena amin’izao fotoana izao, ary anisan’ny mibaby ny voka-dratsiny ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Namory ireo mpandray haban-tsena amina tsena maro eto an-drenivohitra ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa aminy omaly. Novakiana bantsilana ho fantatry ny rehetra io mba tsy hisian’ny ahiahy eo amin’ny samy tompon’andraikitra, fa tsy misy ny fidiram-bola amin’ny alalan’ny haba alaina amin’ny mpivarotra. Niatrika ity fotoana ity avokoa ireo mpandray haban-tsena amina toerana maro toa an’Ambohimanarina, Andravoahangy, Petite Vitesse, Ambodin’Isotry, Anosibe, Coum 67Ha ary ny eny Namontana. Teo ihany koa ny avy eo anivon’ny “Trésor Municipal” sy ny “Régisseur central”. Nampahafantarina ny rehetra ihany koa fa mitentina 90 tapitrisa ariary ny trosa tamin’ny andron-dRamiaramanana PDS teo aloha, ka ny mpitantana ankehitriny no mizaka izany. Ny mahagaga dia olona tsy voafidim-bahoaka fa notendrena hanao fampandehanan-draharaha ankapobeny ny PDS kanefa dia nitosaka ny vola. Ny tena loza dia mbola narahin-trosa ny kaominina, izay azo adika ho tsy fangaraharan’ny fitantanana. Tsy azo mandrak’androany ny vola tokony homena ny kaominina, izay efa zo raikitra ho an’ny tanàn-dehibe hatramin’izay kanefa tsy mba mibaby trosa tahaka ny tamin’ny nahazo fanampiana. Mikasika ny tsena eto Antananarivo dia nampahafantarina ny fisian’ny vondron’olona misoloky ho mpiaro ny mpivarotra sy ny mpanao politika mitady hanao fitaovana ny kaominina, ka tokony hitandrina ny mpivarotra. Handray fepetra hentitra tsy hijerena tavan’olona momba ny fandrindrana ny tsena, ny fivezivezen’ny fiarakodia, ny fanorenana tsy ara-dalàna ny kaominina.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.