Tsy maintsy hirosoana avokoa ny asa fanitaran-dalana eto an-drenivohitra sy ny manodidina, hoy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo omaly.
Voakasik’izany voalohany ny etsy Ankorondrano miazo an’i Besarety izay efa voafaritra tanteraka ny toerana hanaovana ny asa ary hanomboka tsy ho ela. Toraka izany koa ny etsy amin’ny Boriborintany I miazo an’ny toeram-pivarotam-panafody etsy Antanimena ka tafiditra ao anatin’izany ny tsenan’ny Pochard. Ho an’ity farany manokana dia nambaran’ny kaominina fa 12 metatra ny haben’ny lalana ilaina ka ankoatra ny tambohon’ny Pochard izay tsy maintsy mikisaka miditra any anatiny dia voakasika ihany koa ny faritra misy ny Madarail. Na izany aza anefa dia nambaran’ny kaominina fa mbola manana herinandro ireo mpivarotra hanaovana ny fandaminana satria ny fanoritana ny faritra hanaovana ny asa no hirosoana amin’ity herinandro ity. Ankoatra izay dia voaresaka ihany koa ny eny Analamahitsy misy ny toby fiantsonana iray. Tsy maintsy hisy ny fandrodanana trano ho an’ity farany ary efa am-pieritreretana ny fanoherana ny vola lanin’ireo tompon’ny trano ho voakasika ireo tompon’andraikitra amin’izao. Tanjona moa raha mandeha tsara ity asa fanitaran-dalana ity ny hisian’ny lalana avy etsy amin’ny Marais Masay mivoaka any amin’ny lalam-pirenena faharoa raha eo ihany koa ny fahafahana mamita ny lalana eto an-drenivohitra mihazo an’Ivato ao anatin’ny 30 minitra monja. Marihina moa fa nanomboka niroso tamin’ny fifampidinihana omaly ny kaominina sy ireo mpivarotra etsy amin’ny pochard.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa nifanaovan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina tamin’ny mpanao gazety omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.