Actualités

Kaominina Antananarivo Renivohitra Tohivakana ny fanesorana tompon’andraikitra


  • Talata 11 Mey 2010


Tale sy lehibena sampandraharaha maromaro eo anivon’ny Koaminina Antananarivo renivohitra no tratry ny rivomahery. Nanao tohivakana tato ho ato ny fanesorana tompon’andraikitra tamin’ny toerany. Ny sasany nailika, ny hafa indray dia famindran-toerana ihany, voakasik’izany fanadiovana izany ny any amin’ny tsena mandalo any amin’ny fitaterana. Ary tsy hijanona izany araka ny loharanom-baovao fa mety hipaka hatrany amin’ny tompon’andraikitra misahana ny raharaha toekarena sy ny teknika koa. Samy manana ny filazany ny mpiasan’ny Kaominina nanontaniana ny anton’izao fanadiovana izao. Ao ireo milaza fa antony politika, ny hafa indray mandroso ny antony tsy fahombiazana tamin’ny andraikitra nampisahanina azy nefa mila vokatra ny mpitantana ny Kaominina. Ny nesorina nesorina, fa tsy vitsy amin’ireo tokony hotendrena koa no nitsoaka andaharana tamin’ny ora farany. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT