Raikitra ny asa fanadiovan-tanana faobe ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Hifanome tanana aminy mandritra izany ny Boriborintany I, asa hotontosaina ny Alatsinainy ho avy izao.
Eny Ambohijatovo no hanombohana izany, mandalo Analakely mipaka hatrany amin’ny garan’i Soarano. Ho fanohizana sy fanamafisana ny ezaka fanadiovana efa nataon’ny Kaominina hatramin’izay no anton’izany. Fokontany maro no indray hifandrimbona amin’izany toy ny Fokontany Ambodifilao, Tsiazotafo, Faravohitra Ambony, Analakely, Mandrosoa, Tsaralalàna, Ankadivato ary Ambohitsorohitra. Hanatevina izany ihany koa ireo techniciens de surface avy eny amin’ny faritra 67 Ha, Ampefiloha, Antohomadinika, Antaninarenina, Faritra afovoany, Andrianjaka, Ambohijatovo, Petite Vitesse , Tsena Analakely, Tsaralalàna, Lalana Andrianampoinimerina, Amparibe, Faritra Tsenabe, Ambalavao, Ambodinisotry ary ireo mpivarotra manodidina. Hanomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina ny asa hahafahana mamerina amin’ny laoniny ny fahadiovan’ny tanàna amin’ny laoniny, indrindra taorian’ny fety.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.